Nanamafy ny lehiben’ny Cisco Antananarivo Renivohitra fa tsy tokony hatao sorona ny mpiadina amin’ny fanadinana CEPE. Ilaina ny fifampiresahan’ny ray aman-dreny sy ny sekoly raha misy ny olana momba ny saram-pianarana.
Efa voazara avokoa ny taratasy fiantsoana ny mpiadina ho an’ny fanadinam-panjakana CEPE hotontosaina manerany ny Nosy, rahampitso tontolo andro. Afaka nijery ny efitrano hiadinana eny anivon’ny foibem-panadinana ihany koa ireo hiatrika izany nanomboka omaly, teto an-dRenivohitra. Ho an’ireo mpiadina amin’ny sekoly tsy miankina ka nanana olana tsy nahazo ny taratasy fiantsoana, noho ny saram-pianarana tsy nahaloa, afaka mandeha eny amin’ny foiben’ ny Cisco Antananarivo izy ireo hatramin’ny anio. 27 581 ny isan’ny mpiadina eto amin’ny Cisco Antananarivo Renivohitra, hitsinjara amin’ny foibem-panadinana 42. 19 ny mpiadina manana fahasembanana. Lehilahy 46 taona ny zokiny indrindra hiatrika izany, eny amin’ny CEG Tsimbazaza ary 5 taona ny zandriny indrindra, eny amin’ny CEG Ambohipo. Vonona ny efitrano sy ny laza adina ary ny mpiasa rehetra hanatontosa ny CEPE 2024.
Ho an’ny Cisco Avaradrano, 11 232 ny mpiadina, hiparitaka amin’ny foibem-panadinana 23. 8 taona ny zandriny indrindra ary 32 taona ny zokiny indrindra. Ho an’ny Akany misahana ny marenina 67 ha, 12 ny mpiadina manana olana amin’ ny fahenoana hiatrika ny CEPE amin’ity taona ity, manana mpiadina roa hafa mandre koa ny akany ary niara-nianatra izy ireo nandritra ny taom-pianarana.
Tokony ho tonga amin’ny 7 ora
Hanomboka amin’ny 8 ora ny fanadinana amin’ny asamarika sy ny laza olana, manaraka eo ny fahalalana tsotsotra. Ny tantara no mamarana ny tapany maraina. Malagasy no hatrehan’ny mpiadina ny hariva, arahin’ny taranja frantsay ary ny jeografia no manakatona tanteraka ny fanadinana. Tokony ho tonga amin’ ny 7 ora maraina ny mpiadina rehetra miaraka amin’ny taratasy fiantsoana sy ny fitaovana ilaina amin’ny fanadinana.
Vonjy