Airtel Africa : Fiaraha-miasa amin’ny Network

Misehatra amin’ny fanamorana ny varotra niomerika amin’ny firenena 50, ka 40 aty Afrika ny orinasa Network international. Misy ny fiaraha-miasany amin’ny Airtel Africa, izay miasa amin’ny firenena 14, hanamorana ny fifanakalozam-bola. Maherin’ny 200 ny rafitra ara-bola iasany ka manodidina ny 1,6 miliara ny fifanakalozana ara-bola niomerika ataony. Toy ny fanangonam-bola sy ny fitantanana ny karatra niomerika, ny fisorohana ny hosoka, ny fampitahana ny kaonty, ny fampiasana ny tambajotran’ny Airtel, sns. Nilaza ny tale jeneraly (DG) ny Vondrona Airtel Money, Ian Ferrao, fa «hanatsara ny kalitaon’ny tolotra omeny ny mpanjifa, sy fidirana amin’ny fampiasana ny tontolo ara-bola niomerika aty Afrika ity fiaraha-miasa amin’ny Network international ity, sady hanomezana tolotra ara-bola tsara kalitao ny mpanjifa aty Afrika koa». Nanamafy ny tale mpanatanteraka ny Vondrona Fikirakira­na ny antontam-baovao ao amin’ny Network International, Dr. Reda Helal, fa « dingana lehibe ho an’ny tontolo niomerika izao fiaraha-miasa amin’ny Airtel izao. Maneho ny fahombiazanay miaraka amin’ireo mpandraharaha amin’ny fifandraisan-davitra (ORM)”.

Njaka A

Partager sur: