Angovo eto Madagasikara: Ambany ny taham-pisitrahana herinaratra

Mbola ambany ny taham-pisitrahana herinaratra eto Madagasikara. Ny taona 2022, manodidina ny 36% izany, izay mametraka ny firenena eo amin’ny laharana fahasivy amin’ireo firenena zara raha misitraka angovo, araka ny tatitra navoakan’ny Tanjona fampandrosoana lovainjafy ODD fahafito (ODD 7) na ny « Tracking SDG 7 ». Misahana manokana izany fanadihadiana izany ny Agence internationale de l’énergie (AIE) izay manara-maso ny fivoarana maneran-tany ny fahatrarana ny ODD hisitrahan’ny rehetra ny angovo azo antoka, moderina ary lovain-jafy. Voalaza ao anatin’ny fanadihadiana fa manana izay taha ambany indrindra izay i Soudan Atsimo, 5,4%, raha 10% kosa ho an’i Burundi. Zara raha niakatra ireo taha ireo nanomboka ny taona 2010 ho an’ireo firenena roa ireo, hoy hatrany ny fanazavana. Ankilany, niakatra 2% izany ho an’i Madagasi­kara sy Tanzanie nanomboka ny taona 2010 raha oharina amin’ireo firenena toa an’i Nigéria, Kenya ary Pakistan izay voasokajy ho anisan’ireo firenana manana taha ambany indrindra eo amin’ny fisitrahana herinaratra.

Tetikasa

Nankatoavin’ny Banky iraisam-pirenena ny famatsiam-bola mitentina hatrany amin’ny 400 tapitrisa Ar ho an’ny tetikasa niomerika sy fampiroboroboana ny angovo eto Madagasikara. Tanjona ny hampitomboana avo roa heny ny tahan’ny fahazoana herinaratra, ho 67% eto amintsika, raha 33,7% izany teo aloha. Na izany aza, miankina amin’ny famatsiam-bola sy mitaky fanavaozana goavana ny fanatanterahana ny tetikasa. Vina ny hisitrahan’ny mponina hatrany amin’ny 10 tapitrisa, anaty tokantrano 2 tapitrisa, tanàna maherin’ny 150 ny herinaratra.

Henintsoa H.

Partager sur: