Fadintseranana malagasy : hamafisina ny fanaraha-maso ny sisintany

Hisy ny fanatsarana entin’ny fadintseranana amin’ny fiambenana ny sisintany sy ny fari-dranomasina. Hampiasa fitaovana raitra sy hanamafy ny lafiny fifaneraserana amin’ny mpanjifa izy ireo.

Anatin’ny fanatsarana ny fomba fiasa ny eo anivon’ ny fadintseranana mala­gasy, ankehitriny. Hiompana amin’ny fanamafisana ny fiambenana sy ny fanaraha-maso ny sisintany izany. Hiroso amin’ny fampiasana fitaovana avo lenta toy ny «  drône » izy ireo ma­nom­boka izao. Hojerena manokana ihany koa ny fampitaovana sy ny lafiny olombelona ma­mita ny iraka. Hisy ny fanetsehana sambo lehibe efatra ha­nampy ny efa amperinasa. «Hiasa sy mihatrana amin’ny toerana stratejika any avaratra, atsimo, antsinanana ary any andrefan’ny Nosy izy ireo», hoy ny tale jeneralin’ny fadintseranana, Lainkana Zafi­vanona Ernest, nandritra ny tafa nifanaovany tamin’ny mpanao gazety, ny faran’ny herinandro lasa teo.
Nasongadiny tamin’ny fihaonana ihany koa fa: « Tompon’ andraikitra feno ny fadintseranana amin’ny asa nankinina ta­miny, saingy tsy afaka ny hiasa irery koa. mila ny fiaraha-mientan’ny herivelona rehetra izany. Anisan’ny manao ny ainay tsy ho zavatra izahay na an-tanety na an-dranomasina », hoy izy. Betsaka ny vokatra azo, betsaka ny fepetra noraisin’ny fadintseranana amin’ny karazana endrika fandikan-dalàna samihafa. Porofo mivaingana ny fahatrarana ireo mpanao trafika iraisam-pirenena tany Thaïlande. Manginy fotsiny ireo mpanondrana antsokosoko vola vahiny.
Nifampizara ny lesoka eo amin’ny fifandraisan’ny mpiasan’ny fadintseranana sy ny olon-tsotra ihany koa ity tomponandraikitra ity. Anisan’ireny ny filazany fa mila hamafisina ny serasera amin’ny fomba fiasa sy ny saran’ny asa, ary indrindra ny lalàna mifehy ny asa. « Betsaka no tsy mahafantatra izany ka malaky manome tsiny sy mitsara. Efa miezaka anefa izahay, manao ny fanatsarana saingy mila sahy manatona sy mifampiresaka ihany koa izay manana fitarainana atao », hoy hatrany ny tale jeneraly, Lainkana Zafivanona Ernest.

r.r

Partager sur: