Fambolena sy fiompiana : nahomby ny vokatra tato anatin’ny telovolana voalohany

Vina amin’ity taona 2024 ity ny hanajariana velaran-tany 100 000 ha. Hiakatra 10-15% ny vokatra ka tsy hanafatra any ivelany intsony.

Nitatitra ny zava-bita tato anatin’ny 3 volana voalohany ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, Ratohari­jaona Suzelin, ny 11 jona teo. Nifantoka amin’ny paikady telo ny asa natao. Ny tetikasa « Ankohonana miarina » manohana ny vondrona tantsaha amin’ny fambolena sy ny fiompiana, napetraka any amin’ny faritra Itasy (Fiefera­man­ga sy Ambohi­miarina). Miisa 3 900 ny fianakaviana sahirana nisitraka azy. Eo koa ny fiofanana ara-teknika Pfumfudza, ny « titre vert » any amin’ny faritra maro. Nosarihana handraharaha amin’ny famokarana ambanivohitra ny tanora. Nampi­roboro­boina ny fandraharahana ara-pambolena amin’ny velaran-tany midadasika (agri-business) ho an’ny mpandraharaha vaventy. Mahe­rin’ny 60 ny isan’ny lemaka voajary, ahitana velaran-tany ma­nodidina ny 30 000 ha. Nisy ny fizarana kojakojam-pamokarana (masomboly voafantina, zezika simika sy biolojika) niarahana tamin’ny mpandraharaha. Tsiahivina fa 35 tapitrisa ha ny vela­ran-tany azo volena eto Madagasikara ka tsy mbola voatrandraka ny 60%. Miroborobo ny fiaraha-miasa amin’ny firenena samy tatsimo. Anisan’ny farany teo ny niarahana tamin’i Korea Atsimo amin’ny fambolem-bary sy ny fanodinana azy. Velaran-tany 100 000 ha no hajariana amin’ity 2024 ity. Tanjona ny hitomboan’ny voka-bary 10-15%, ka tsy hanafatra any ivelany intsony ato anatin’ny 5 taona mana­raka.

Fanatsarana ny fiompiana

Ho an’ny fiompiana, nohatsaraina ny taranak’omby, ny ombivavy beronono sy ny fiompiana haingam-pihodina. Eo koa ny ady amin’ny valala ataon’ny Ivontoerana IFVM. Mitohy, ankehitriny ny ady an-tanety, ary karohina ny mpiara-miombon’antoka ho an’ny ana habakabaka.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: