FANTINA sy FINTINA

Nanao veloma ny Praiministra Ntsay Christian, teny Mahazoarivo, omaly, ny solontenan’ny FMI, i Mokhtar Benlamine, rehefa niasa roa taona teto amintsika. Nifantohan’ny dinika ny jery todiky ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Nambaran’ny vahiny fa nahafa-po azy ny fiaraha-miasa tamin’ny filohan’ny Repoblika sy ny governemanta.

Niatrika fihaonana iraisam-pirenena tany Autriche, ny delegasionin’ny Bianco sy ny CSI ary ny Arai, tamin’ity herinandro ity. Anisan’ny nifantohan’ny dinik’ireo teknisianina sy manampahaizana ny momba ny fampiharana ny fifanarahana momba ny ady amin’ny kolikoly eo anivon’ny Sampandra­harahan’ny Firenena mikambana (CNUCC).

Nitsidika sy nanolotra fanomezana ho an’ireo ankizy ao amin’ny akany Avoko Bevalala ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbola­tiana, omaly. Tafiditra amin’ny fanohanana ireo ankizy hiatrika ny fanandinana izany ary ho fanampiana ny Akany. “Fanatanterahana ny fandaharanasa, mitandro ny maha olona”, hoy ny minisitra.

Partager sur: