Namoaka fanambarana ireo eo anivon’ny fiarahamonim-pirenena miisa 52, omaly, tetsy Ambatonakanga. Nambaran’izy ireo tamin’izany fa maro ny tsy fanarahan-dalàna tamin’ny fifidianana depiote teo.
Anisan’ny voamarik’ireo mpisehatra misahana ny fanaraha-mason’ny fifidianana izany ka nitakin’izy ireo amin’ny HCC sy ny fitsarana ny hanafoanana ny vaton’ireo kandidà nanao fandikan-dalàna. Teo ny nandritra ny fampielezan-kevitra sy ny andro fahanginana ary ny androm-pifidianana. “Sazio ireo kandidà ninia nandika ny lalàna manan-kery. Hampiharina ny sazy hanafaizana ireo tompon’antoka sy mpanatanteraka hosoka sary ny fanovana ny voka-pifidianana. Miantraika amin’ny fahamarinan’ny fifidianana izany”, hoy izy ireo.
Notsiahivin’ireto fiarahamonim-pirenena marobe ireto ny fanitsakitsahana ny foto-kevitry tsy fiandanian’ny mpitantana raharaham-panjakana, araka ny voalazan’ny lalàna. Anisan’izany ny fitsidiham-paritra nataon’ny filoham-pirenena amin’ny fitokanana zava-bitan’ny fanjakana amin’ny fomba ankolaka ary maneho ny fanohanana ireo kandidà momba azy.
Fampiasana fahefam-panjakana…
Eo koa ny fampiasana ny tombontsoa sy ny fahefam-panjakana ary ny manam-pahefana eo an-toerana. Manampy izany ny fampiasana ny fananam-panjakana toy ny fiara, anisan’ny fananam-bahoaka nefa mbola entina manao fampielezan-kevitra. “Tsy voahaja koa ny fampitoviana ka manakorontana ny fizotry ny fifidianana sy ny famerana ny firotsahan-kofidina amin’ny alalan’ny fametrahana volabe antoka amin’ny fifidianana”, hoy izy ireo.
Etsy andaniny, manahy ireto fiarahamonim-pirenena ireo amin’ny hanohizan’ny mpitandro filaminana ny famoretana ka handavana ny zo fototra haneho hevitra…
Synèse R.