Eo am-piandrasana ny voka-pifidianana ofisialy avy amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), kandidà depiote iray ao Anosibe an’Ala no voatonontonona ho tompon’antoka amin’ny vaky fasana. Araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny mpanao famotorana, nisy halatra taolam-paty tao amin’ny fokontany Niarovana, kaominina Longozabe, tamin’ny zoma alina. Tratra ireo mpamaky fasana ny ampitson’io. Nisy fikasan’ny mponina hanao fitsaram-bahoaka taorian’izay. Niditra avy hatrany tamin’ny fandaminana ny fiarahamonina ny mpitandro filaminana, nisy ny tratra. Valo lahy no voasambotra, araka ny fampitam-baovao, avy amin’ny solontenan’ny mponina, azo an-telefaonina. Mpiady volamena sy mpivarotra ny vokatra amin’ilay kandidà ihany ireto tompon’antoka amin’ny fanimbazimbana ireto.
Araka ny voalazan’ny mponina any amin’ny io distrika io dia efa imbetsaka no misy tranga mahavoarohirohy ilay kandidà saingy tsy mandalo mpanao famotorana akory dia very an-jambany sy tsy misy tohiny. Matahotra tsindry sy fampihorohoroana ny lasibatra ka tsy sahy miteny sy mametraka fitoriana. Izay manao izany dia sady very fotoana no tsy mahita ny rariny. Vokatr’izay rahateo no saika nisian’ny fitsaram-bahoaka. Nitroatra ny vmponina.
Ankoatra ny ao Anosibe An’Ala, efa mahoraka hatrany amin’ny distrikan’i Moramanga sy Mahanoro amin’ny vaky fasana sy ny fanaovana vola sandoka ity kandida ity.
Manolona izany, ankoatra ny resaka hala-bato nandritra ny fifidianana, ny 29 mey lasa teo, dia nametraka fitarainana eny amin’ny HCC ny mpifanandrina aminy. « Mila olona madio izahay satria dia 90 % ny firaketana an-tsoratra dia voaporofo teny amin’ny Ceni dia hosoka avokoa », araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana.
r.r