Ny vahoaka aloha !

 

Mety ho amin’ity herinandro ity no andrasana ny voka-pifidianana ofisialy avy amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana. Mazava iny ny fitsipi-dalao avy amin’ny filohan’ny Repoblika. Tsy maintsy hajaina ny safidim-bahoaka, hoy izy. Na iza na iza, araka izany, lany dia efa misolo tena ny vahoaka malagasy izy izay. Didy tsy azo ivalozana rahateo ka ilana fahaiza-manaiky izany.
Eto no hisintonana ny lakolosy ho an’ireo izay mety tsy ho tafiditra any anaty kajy na nanantena mafy aza. Hisarihana ny sain’ny mpanao politika sasany, fa Madagasikara aloha vao ny tena manokana. Na inona na inona toetra namolavolan’ny fiarahamonina sy ny ankohonana, misy fotoana tsy maintsy milefitra noho ny tombontsoan’ny besinimaro.
Manana ny hasiny manokana ilay firenena ka tokony tsy ho tsinontsinoavina izay. Efa be loatra ny ratsy manjaka eto. Ny eny anivon’ny tokantrano tsirairay izany dia tsy ahitan-teny intsony ny fomba hoenti-milaza azy. Fahasahiranana sy ziogan’ny adim-piainana. Efa tena hoe: “resy ilay Malagasy”.
Mila manova fomba fijery sy fanaovana politika ireo milaza azy fa ho tompony. Tsy fanoherana velively ny filazana ny marina sy ny fanontsanana ilay tsy mandeha. Mila mifanaitaitra ny herivelona rehetra , indrindra izay hahasoa fa mbola dimy taona no hitondran’ny Filoha Rajoelina Andry. Tsy vitan’ny koposoroka sy ny fahatokisan-tena diso tafahoatra, na ny fanaovana tsinontsinona safobemantsina an-dRamalagasy fotsiny izany.
Tsy maintsy miara-mifoha sy mampitovy tadin-dokanga ny fitondrana amin’izao fotoana izao. Ny voka-pifidianana vonjimaika dia misy isainana. Na hirona amin’ny fanohanana aza ireo tsy miankina, mifono zava-dalina ny hafatra nalefan’ny mpifidy. Mazava ny tiany ambara… Madagasikara sy ny vahoaka aloha fa tsy anaran’antoko.

r.r

Partager sur: