“Ny tena voka-pifidianana dia tonga marina any amin’ny olona izay nomen’ny vahoaka fahefana na nofidiny ny fahefana, ka hampiasainy ho fampandrosoana ny vahoaka?”. Io ny fanehoan-kevitry ny mpandinika fiarahamonina, Ramamimampionona Gérard, amin’izao fiandrasana valim-pifidianana depiote izao. Tena hampiasan’izay nofidina na ny fahefana nomena azy amin’izany, ka miara-mientana ho amin’ny fampandrosoana izay nomena fahefana sy ny nanome izany. Izay fampandrosoana izay no tena vokatry ny fifidianana. Izay no mahatonga ny olona hatoky sy hazoto hanao politika. Misy vokany eo amin’ny fiainana ny fifidianana: nitodika any aminy izay olona nofidina, miasa ho azy, mampandroso azy… Misy vokany : izay no tokony ho voka-pifidianana.
Fifangaroana korontana sy filaminana ny zava-misy amin’ izao fotoana iandrasana ny valim-pifidianana izao. Miiba izany rehefa miaraka ny miiba sy ny miabo. Nisy ny korontana tamin’ireny fifidianana ireny, fa tsy araka ny tokony ho izy : nisy fandoroana biraon’ny sampana mpanisa vato, fakana sy famadihana ny voka-pifidianana, fifampikasihan-tanana… Ireny no manambara fa ao anatin’ny tontolo tsy milamina ny vahoaka eto am-piandrasana ny voka-pifidianana ofisialy farany havoakan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC). Pitik’afo mety hampisy korontana ny mety ho fiovan’ny safidin’ny olom-pirenena. Ahina ny korontana raha tsy voahaja sy tsy tafita ny olona nomen’ny vahoaka fitokisana tamin’ny latsa-bato nataony.
R. Nd.