Royal Chapel International : nihanoka vavaka sy hira fiderana ireo mpiangona

Anisan’ny ahafantarana ireo fiangonana voasokajy ho zandriny ny hira mampientanentana. Izany indrindra no hita teny amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena nandritra ny fotoam-bavaky ny fiangonana Royal Chapel International.

Notanterahina ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Lapan’ny ko­lon­tsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina, ny hetsika lehibe nampitondraina ny lo­hahevitra  « Madagasikara ho an’i Kristy ». Ny avy ao amin’ ny fiangonana Royal Chapel no nikarakara izany ary nisokatra ho an’ny olona rehetra tsy ankanavaka. Ny Prophète Elisha Owusu sy ny Pasteur Lova Owusu no nitarika ny fotoana izay noravahana Va­vaka sy fiderana. Nisy ny fizarana fanampiana ho an’ireo sahirana ara-pivelomana tonga nanatrika ny fotoam-bavaka teny an-toerana.

Tomefy olona ny toerana niaraka nidera an’Andria­ma­nitra. Samy nanana ny antony nahatongavany ireto olona marobe ireto. Ao ny manana olana eo amin’ny fiainany ka manantena vahaolana amin’ ny alalan’ny vavaka natao teny an-toerana. Teo ihany koa ny tonga nisaotra an’Andriama­nitra noho ny soa azony. Hiram-piderana, vavaka, toriteny ary fampianarana no nentin’ny mpitarika nanomezana fahafaham-po ireo tonga niombom-bavaka.

Tafiditra ao anatin’ny fiangonana zandriny ny fiangonana Royal Chapel Interna­tional. Fiangonana ara-paminaniana izy ity, ilay antsoina hoe “Charismatique”. Tany Ghana no niforonany ary ny taona 2017 no tonga teto Madagasikara. Eny Tanjom­bato ny foibeny misy sampana eo Analakely. Vinan’ny mpitantana ny hanapariahana ny fiangonana manerana ny Nosy sy ny firenena maro. Misehatra ho an’ny mpiara-belona aminy ihany koa ity fiangonana ity, ankoatra ny fivavahana.

Lin

Partager sur: