Silamo – Aïd al-Adha : tsy nanadino ny nivavaka ho an’ny firenena

Nankalaza ny fetin’ny Aïd al-Adha ny mpino silamo rehetra, afakomaly. Nomarihina tamin’ny fiaraha-mivavaka te­tsy amin’ny moske 67 ha izany. Zava-dehibe izy io satria fahatsiarovana ny na­naovan’i Abrahama sorona ny zanany lahy tokana, i Ismaelà. “Rehefa tsapan’ny Tompo ny fahavononan’io mpaminany lehibe io dia nosoloiny ondry izany”, hoy ny filohan’ny fikambanan’ny mpino silamo eto Madagasikara, Absouary Saïd Arsène.
Tsy nanadino ny fitondrana am-bavaka ny firenena malagasy ihany koa izy ireo nandritra ny fankalazana. « Zava-dehibe ny fanaovana izany manoloana ny zavatra iainan’ny firenena, indrindra amin’izao manakaiky ny asaramanitra eto amin’ny Nosy izao», hoy hatrany izy. Mba hisy ny filaminana sy ny fandriampahalemana ary mba ho afaka ny fahantrana eto amin’ ny firenena.
“Tsy fetin’ny silamo irery izy ity fa fetin’ny Malagasy rehetra satria teo ny nanaovan’ny fanjakana azy ho andro tsy fiasana”, hoy i Moussah Soalihy, mpino silamo. Nam­barany fa tsy tokony ho vahiny amin’izany ny Malagasy satria efa nankalazaina teto talohan’ ny fanjanahantany izy io. Mi­tovy amin’ny fankalazan’ny Malagasy ny fetin’ny Alaha­ma­dibe, izay avy tamin’ny razambe arabo. “Enga anie mba hahita fahasoavana sy fandriampahalemana maharitra ny mponina rehetra eto Madagasikara”, hoy hatrany ny filohan’ny fikambanan’ny mpino silamo eto Mada­gasikara. Nifanandrify tamin’ ny fetin’ny ray ihany koa io fety io.

Mino

Partager sur: