TARATRY ny KANTO

Tontosa soamantsara ny “Festival Sabotsibe” tany Mandritsara. Hipoka olona ny kianja nandritra ny telo andro, indrindra tamin’ny famaranana izay niakaran-dry Jean Rigo, Rootsman ary i Sisca. Ito farany izay zanak’i Mandritsara no namarana ny fety, ka tsy nisy nety nisaraka raha tsy efa tamin’ny 8 ora maraina. Azo lazaina ho fahombiazana iny andiany tamin’ity taona ity iny.

“Fetin’ny mozika”, eny amin’ny QG Ankorondrano, ny zoma 21 jona izao, manomboka amin’ny 5 ora hariva. Malalaka ny sehatra ho an’ireo te hitendry sy hihira hatramin’ny 7 hariva. Aorian’izay kosa no hiakatra ireo mpanakanto efa malaza toa an’i Antsaly, Fanilo, Tojo Guitarista Faly ary i Jessy. Mazava loatra fa hiodina amin’ny revy “Feo sy gitara” izany.

Misokatra manomboka izao hatramin’ny 7 jolay 2024, ny fisoratana anarana ho an’ireo maniry handray anjara amin’ny « Art&Bio Diversité ». Fifaninanana ara-javakanto, entina miaro sy mikolokolo ny tontolo iainana. Ny La Teinturerie- Association d’artistes no mikarakara ny fifaninanana ary misokatra ho an’ny karazan-javakanto rehetra ny hetsika.

Mitohy hatrany hatramin’ny 31 jolay 2024, ny fampirantiana “Rétrospective”, iarahana amin’ny Clips Teean. Karazana hosodoko “Grafitti” no hita eny amin’ny B44 Tsaralalana. Amin’ny ankapobeny, maro ny mpitsidika, araka ny nambaran’ny mpikarakara. Efa mihamaro ihany koa ny mpankafy azy eto amintsika saingy vitsy ny tena mpiangaly.

Partager sur: