TSELATRA

Sokatra miisa 200 indray no saron’ny zandarimaria teny Ambohimandray, Mahitsy, afakomaly. Nifono tao anaty solefanina avokoa ireo biby voasokajy ho anisan’ny ahina ho lany tamingana ireo. Tsy fantatra ny tompon’antoka tamin’ny fanariana azy ireo amoron-dalana ka manao fanadihadiana ny zandary amin’izao fotoana.
Zaza 13 taona maty voatifitry ny jiolahy nandritra ny fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny fokontany Ambalalehibe Vohibory ambony, kaominina Ivato Centre, afakomaly. Nalain’ireo jiolahy ny omby iray vala tao amin’io tokantrano notafihany io.
Kamiao mpitety tsena iray tra-doza ka nivadika tao Ampantsinakoho, fokontany Vohimary, kaominina Ankarana, afakomaly tamin’ny 5 ora sy sasany hariva. Nanitsaka tany nalemy ny kodiaran’ny fiara tao aoriana ka nitarika ny loza. Tsy nisy aina nafoy. Nifanome tanana tamin’ny fanarenana io fiara io ny zandary miasa ao an-toerana.
Maty lavon’ny zandary nanara-dia ny dahalo raindahiny iray tao Bemahatazana, kaominina Antanambao Ambary, distrikan’i Mandoto, ny 14 jona teo. Nalain’ny dahalo ny omby tao am-bala ka nanenjika ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana. Nifampitifitra tamin’ny dahalo ireto farany.
Nodorana tao amin’ny seranam-piaramanidina Vangaindrano avokoa, ny 14 jona teo, ny rongony 56 gony saron’ny zandary tao amin’ny fokontany Mariany, kaominina ambanivohitra Ampasimalemy, distrikan’i Vaingaindrano. Navadika lavenina niaraka tamin’ireo rongony am-polony ireo koa ny rongony nilanja 100 kg sarona ny faran’ny herinandro teo.
Notanana vonjimaika any am-ponja avokoa, omaly, ireo dimy lahy sy ny ramatoa iray mpamaky trano sy fandrobana ao Antsiranana. Nahatraran’ny polisy fitaovana maro toy ny solosaina, finday niampy vilany maromaro sy antsy lava teny amin’ireo olon-dratsy ireo tamin’ny fotoana nahasamborana azy, ny faran’ny herinandro teo.

Partager sur: