Varika sy sokatra: eo am-panomanana ny fandraisana ireo biby

Nitsidika ny valanjavaboahary Tanànan’ny sokatra sy ny valanjavaboahary Reniala any Mangily, Toliara II, ny minisitry ny Tontolo iainana, Max Andonirina Fontaine, ny zoma 14 jona teo. Hitahiri­zana ireo sokatra nogiazana tratra, saika hamidy na haondrana antsokosoko ny ao amin’ny « Village des tortues », izay miisa 3 868. Natokana hitahirizana ireo karazan-javamaniry ala misy tsilo sy ny hazo reniala (baobab) ity toerana ity. Misy koa fikajiana ireo varika miisa 77. Nisy ny fivoriana nataon’ny minisitra sy ireo tomponandraikitra
amin’ny fitandroana ny filaminana, niaraka tamin’ny OMC. Nodinihina ny paikady hanamafisana ny fanaraha-maso hiadina amin’ny trafikana harena voajanahary. Ankoatra izany, nilaza ny minisitra Max Andonirina Fontaine, fa tsy mora ny fanomanana ny toerana handraisana ireo varika sy sokatra tratra tany Thaïlande. Maro ny dingana arahina, tsy maintsy atoka-monina ireo biby hanaraha-maso ny fahasalamany. Avy eo vao hapetraka amina toerana manokana, mandritra ny enin-taona. Nohazavain’ny minisitra fa azo vinavinaina hatoby any amin’ny Reniala ireo sokatra sy varika ireo, fa mety ho voafetra ihany.

Njaka A.

Partager sur: