Andiany faha-24 ny programan’ny fandaharanasa Yali Regional Leadership Center (RLC). Tanora malagasy 13 mianadahy no voafantina hisitraka izany izay atao any Afrika. Nahavita fiofanana ampitain-davitra nandritra ny roa herinandro izy ireo, ary vao tonga any Afrika Atsimo, hanaraka fiofanana mandritra ny 3 herinandro indray.
Rehefa tafaverina eto Madagasikara ireo tanora mpitarika ireo, hanatevin-daharana ny vondron’ny maintimolalin’ny programa Yali ka hisitraka endrika fanohanana toy ny famatsiam-bola tetikasa, ny fiaraha-miasa sy fifanakalozana traikefa ary loharanom-pahalalana maro samihafa.
Marihina fa ny programa Yali RLC dia manome fiofanana ireo tanora afrikanina eo anelanelan’ny 18 sy 35 taona. Tanjona ny hahafahan’ireo tanora manampy bebe kokoa ny fiarahamonina sy ny firenena niaviany avy.
Mizotra amin’ny endriny ampitain-davitra sy atrehina mivantana ny fiofanana momba ny business and entrepreneurship, civic leadership, public management sy ireo sehatrasa hafa atrehin’izy ireo.
Efa maro ny tanora malagasy manana ny toerany eny anivon’ny fiarahamonina amin’ny alalan’ny tetikasa na fandraharahana nisitrahana avy amin’ny Yali RLC.
Tatiana A