Dahalo enina lavon’ny balan’ny zandary sy ny Tafika nanao hazalambo nandritra ny halatra omby tao amin’ny fokontany Ampilokely, kaominina ambanivohitra Befandriana Atsimo,distrikan’i Morombe, ny 14 jona teo. Anisan’ireo maty voatifitra i Dadimainty. Dahalo 60 lahy indray nanafika tao amin’io tanàna io. Nikasa handroba ny omby rehetra tao am-bala ireo olon-dratsy kinanjo nanohitra ny fokonolona. Nanampy tosika azy ireo ny mpitandro filaminana. Raikitra ny fanenjehana ireo dahalo. Voan’ny bala ny roa tamin’ireo olon-dratsy, tsy lavitra ny tanàna. Namoy ny ainy izy ireo. Nitohy ny fanenjehana ireo namany. Ankoatra ireo, lavon’ny tifitry ny mpanara-dia koa ny telo hafa mpiray tendro tamin’ireo dahalo ireo. Tetsy ankilany, azo sambo-belona ny dahalo raindahiny atao hoe Dadimainty. Nandositra tao anatin’ny haizina anefa io mpangalatr’omby io ka voatery nitifitra azy ny zandary. Vokany, dahalo enina niara-maty. Tafaverina amin’ny tompony avokoa ireo omby an-jatony nokasain’izy ireo hoentina. Niverina amin’ny laoniny kosa ny fandriampahalemana taorian’izay, araka ny tatitry ny zandarimaria.
Tsiferana R.