Nizotra tamim-pilaminana ny fiatrehana ny fanadinam-panjakana CEPE, omaly tontolo andro, manerana ny Nosy. Nitsidika ny foibem-panadinana CEG Antanimbarinandriana ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena misolo toerana, Randriamanantany Zely Arivelo, nijery ny fikarakarana. Nanambara izy fa anio no hanomboka ny fitsarana ny taratasim-panadinana ary hoezahina tsy hihoatra ny herinandro ny famoahana ny valim-panadinana. Efa napetraka daholo ny fepetra hisorohana ny hosoka na olana hafa tsy hahatomombana ny fanadinana CEPE. Mpiadina miisa 529 000 manerana an’i Madagasikara no niatrika ny fanadinam-panjakana, omaly, izay niparitaka tamina foibem-panadinana miisa 2 057 sy trano fianarana 14 925. Nahitana fiakarana 3% ny isan’ny mpiadina ho an’ity taom-pianarana 2023-2024 ity, araka ny fanazavan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena.
Mpiadina sivy mirahalahy avy amin’ny école éducative des mineurs ao anatin’ny fonjan’Antanimora no niatrika ny fanadinana omaly. Miaraka efitrano amin’ny mpiadina rehetra izy ireo fa tsy avahana saingy misy ny fepetra manokana hitandroana ny fandriampahalemana. Nanateran’ ny ray aman-dreny sakafo teny amin’ny foibem-panadinana ireo mpiadina hampilamin-tsaina azy ireo. Misy ireo tsy niala ny toeram-panadinana nandritra ny tontolo andro mandra-pirava ny hariva.
Vonjy