Fananganana ny governemanta : tompon’ny teny farany ny depiote maro anisa

Hamoaka ny voka-pifidianana ofisialy, mialohan’ny 26 jona izao, ny eo anivon’ny HCC, raha tsy misy ny fiovana. Ho fantatra eo izany ireo maro anisa ka hamaritra ny ho fitsanganan’ny governemanta vaovao.
Efa tsy azo ihodivirana anefa ny hahazoan’ny Irmar ny maro anisa eny amin’ny Antenimieram-pirenena. 80 eo ho eo izy ireo, raha ny voka-pifidianana vonjimaika navoakan’ny Ceni. 23 kosa ireo avy amin’ny mpanohitra. Mahaleo tena na tsy miankina sy avy amin’ny antoko kosa ny ambiny. Mazava ny voalazan’ny Lalàmpanorenana momba izany. « Manendry ny praiministra atolotry ny antoko na vovonana na vondrona politika manana ny maro anisa eo anivon’ny Antenimiera ny filohan’ny Repoblika ». Andra­sa­na izany ny anarana maromaro na vitsivitsy hatolotr’izy ireo ny filoham-pirenena mba handraisana fanapahan-kevitra. Miankina amin’ireo maro anisa ireo ny ho tohin’ny fitantanana eto amin’ny firenena. Tokony ho fantatra amin’ny fiandohan’ny volana jolay io izany ny ho fitsanganan’ny governemanta vaovao.

Mitovy hafangainam-pandeha
Tsy mbola fantatra koa anefa na fanovana tanteraka izany na fanoloana mpikambana vitsivitsy fotsiny ihany. Na izany aza, efa nahitsy ny filoha Rajoelina Andry, tany Toamasina, ny herinandro teo, raha nitokana ny zava-bitan’ny fitondrana, momba ireo ho mpiara-miasa aminy. « Tsy afaka hitarika ireo mitavozavoza famindra isika amin’izao firosoana amin’ny fe-potoam-piasana faharoa izao. Mila hafainganina ny fampandrosoana ka ialana tsiny amin’ireo tsy maharaka izany hafainganam-pandehantsika izany », hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: