FANTINA sy FINTINA

Mitohy hatrany ny fanaraha-maso ny depiote Masy Goulamaly ao amin’ny trano fonenany, tapa-bolana aty aorian’ny nisamborana azy. Ny 1 jona izy no voasambotra, taorian’ny fisiana andian’olona nandoro ny sampandraharaha mikirakira ny fifidianana tao Tsihombe. Tsy nisy valiny izany aloha ny taratasy napetraky ny birao maharitry ny Antenimieram­pi­renena nivantana tamin’ny Praiminisitra hatreto. Ta­ratasy izay nangataka ny zo tsy azo samborina ananan’io solombavambahoaka io.

Nanambara ny fijoroany tamin’ny fomba ofisialy, omaly, tao amin’ny distrikan’i Toamasina I, ny Komity miaro ny safidim-bahoaka (KMSB). Izany fijoroana izany dia vokatry ny tsy fanarahan-dalàna sy hosoka maro samihafa nandritra ny zotram-pifidianana solombavambahoaka, araka ny nambaran’izy ireo, nandritra ny fanambarana nataony. Nisy ihany koa ny antso nataon’izy ireo amin’ireo antoko sy fikambanana maro hanatevina azy ireo hiaro ny safidim-bahoaka.

“Taratry ny tsy fanekena ny mpitondra ankehitriny ny hamaroan’ireo solombavambahoaka tsy miankina lany”, hoy Andrianarimalala Heritiana, filoha nasionalin’ny Ilo Mada. Mety hisy ny kihon-dalana lehibe lalovan’ny fiainana politikan’ny firenena mandritra izao zotram-pifidianana izao, indrindra aorian’ny famoahan’ny HCC ny vokatra ofisialy, araka ny nambarany hatrany. Niantso ny amin’ny fanajana ny lalàna ho an’ny rehetra ity filohan’ny Ilo Mada ity, ho tombontsoan’ny firenena sy ny vahoaka malagasy.

Partager sur: