FJKM Amparibe Famonjena : hivavaka ho an’ny mpanala fanadinana ny RFF

Efa zary seho lehibe mahavantana ny eto an-dRenivohitra sy ny manodidina ny manatrika ilay seho fanaon’ny RFF, Amparibe Famonjena, mialoha ny fanadinana sy ny fetim-pirenena. Hotanterahina tsy ho ela ny amin’ity taona ity.

Toy ny isan-taona, hotanterahina ny talata 25 jona ho avy izao, ao amin’­ny FJKM Amparibe Famonjena, ny vavaka ho an’ny tanindrazana sy fangataham-pitahiana ho an’ny mpanala fanadinana. Hetsika karakarain’ny Rantsana fialam-boly sy fanatanjahantena (RFF) Amparibe Famonjena. Hiavaka tsy toy ireo andiany efa vita, ity faha-22 ity. Ho­mena sehatra betsaka ny hira, hatolotry ny RFF, elanelanin’ny tononkalo sy ny tsianjery ataon’ireo tanora beazina ao anatin’ny fikambanana.
Hizara roa miavaka tsara ny fotoana izay hanomboka amin’ny 5 ora sy sasany folakandro. Ny tapany voalohany natokana ho an’ireo mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana BEPC sy ny BACC. Hiato izany rehefa mandeha ny afomanga eny Anosy, satria, hiaraka hijery azy io ny rehetra. Aorian’izay ny tapany faharoa, izay hiompana tanteraka ho an’ny firenena. Amin’ ny alalan’ny rindrankira sy vavaka ihany koa no hanatontosana izany. Hampiavaka ny seho ny fanomezan-danja ny gadona “gospel”. Marihina fa anisan’ny sehatra lehibe hi­fampizarana traikefa sy fahaiza-manao eo amin’ny tontolon’ny hira ny Rantsana fialam-boly sy fanatanjahantena eo anivon’ny FJKM Amparibe famonjena.
Tsiahivina fa manana ny lazany amin’ny hira fiderana ny RFF ka ho heno ao ireo efa nahafantarana azy sy ny vaovao. Ny Petera 1 toko faha-2, andininy faha-9, manao hoe : “Taranaka voafidy, firenena masina” ny tenin’ny Soratra Masina nosafidiana ho lohahevitra amin’ity taona ity. Hi­tarika ny vavaka Razafin­drakoto Hasinarivo, mpitandrina. Rtoa Razafindrakoto Ha­sinirina kosa no mpanolotra.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: