INDRAY MIJERY

Nitombo isa ireo Lycée sy CEG nanangana klioba Hary fahalalana, hary fomba (HFHF). Mifototra amin’ny fampitana hafatra mafonja an’onjampeo mahakasika ny fanabeazana ho olom-pirenena sy ny fahasalamana ara-pananahan’ny zatovo sy ny tanora ny tetikasa klioba HFHF.45 ireo tafatsangana eny anivon’ny Dren 15, ny taona 2023. Nanomboka ny 10 jona hatramin’ny 21 jona ho avy izao ny fanatanterahana ny tetikasa ho an’ireo voakasika .
Tsy hisy trangana toetr’andro mahery vaika mety hahakasika an’i Madagasikara amin’ity herinandro ity. Hihamafy ny tsiokan’ny varatraza mankany amin’ny faran’ny herinandro. Handrahona ny ilany atsinanan’ny afovoantany, anio, fa ho maina hatramin’ny zoma. Hahazo toerana ny volonandro ririnina mankany amin’ny faran’ny herinandro. Manodidina ny 5 – 24°C ny maripana ny maraina ary eo anelanelan’ny 18 – 35°C ny tolakandro.
Nisy ny fivoahana niarahan’ireo mpikambana rehetra ao anatin’ny fikambanana Autisme Madagascar, faritra Vakinankaratra, ny herinandro lasa teo. Fanentanana samihafa sy kilalao ary fizarana arendrina ho fanamarihana ny iray volan’ny ankizy no natao nandritra izany. Anisany manampy betsaka ny zaza autiste amin’ny fifandraisana sy fifaneraserana amin’ny olona ny hetsika sy kilalao tahaka izao.
Fanentanana amin’ny fikajiana ny fahadiovan’ny sakafo, fikarakarana azy ary indrindra ny fitehirizana hisorohana ny fahapoizinana ara-tsakafo no nataon’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka amin’izao ankatoky ny fety izao. Zava-dehibe ny fahadiovana amin’ny akora ampiasaina sy ny fitaovana indrindra ny tanana mikarakara izany.

Partager sur: