Kianjan’i Betongolo : Kermesin’ny hery mampandry fahalemana

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny kermesin’ny Hery fiarovana sy filaminana etsy amin’ny kianjan’i Betongolo. Haharitra 8 andro ny hetsika ary hifarana ny 26 jona izao. Natomboka tamin’ny lanonam-panehoana ny Hery fiarovana sy filamanana ny lanonana. Toy izay koa ny vady miaramila sy ny vadina zandary. Tanjona ny hametrahana fandriampahalemana maharitra amin’ity fankalazana ny asaramanitra ity. Fotoana iray anehoana fa iray ny hery mba ahafahana mampandry fahalemana sy manatanteraka ny tanjona napetraky ny filoham-pirenena. “Tafiditra ao anatin’ny fety hankalazana ny faha-64 taona niverenan’ny fahaleovantenan’i Mada­gasikara sy nijoroan’ny Foloalindahy ny hetsika”, hoy ny ministry ny Foloalindahy, ny jeneraly Sahivelo Monja Delphin. “Samy manana ny fomba fankalazany avy ny firenena tsirairay fa ho an’i Madagasikara manokana, ao anatin’ny fiombonana sy fifaliana tanteraka no hanehoana izany fitiavan-tanindrazana izany”, hoy hatrany izy. Ahitana hetsika ara-kolontsaina sy kilalao ary fampirantiana maro samihafa eny an-toerana.

Mino

Partager sur: