Mba ho tan-dalàna

 

Nahoraka tampoka teo, omaly, fa tsy maintsy havoaka ny faha-21 jona ho avy izao ny voka-pifidianana ofisialy avy eny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC). Mila manatrika ny fetim-pirenena miaraka amin’ny samboady ry tsy mahandry tantana sy tia sehoseho. Asa fa izay tokoa ve ilay hoe ny « werawera tsy maintsy mandeha”? Kolontsaina novolena tato ho ato izay.
Raha ny tsilian-tsofina azo avy amin’ny loharanom-baovao isan-karazany anefa, indrindra fa eny anivon’ny HCC dia mbola mila hatramin’ny 27 jona izy ireo. Antony, tsy maintsy vitaina ny fitsarana sy fandinihana ireo fitoriana sy fitarainana avy amin’ny kandidà isan-tsokajiny. Izay daty izay rahateo no tetiandro fototra raha ny drafitrasan’ny mpitsara, taorian’ny famoahan’ny Ceni ny vokatra vonjimaika.
Mipetraka ny fanontaniana, ankehitriny, iza indray no maimaika toa boka hanambady ao? Sanatrian’ny vava, hisy indray ny kobosoroka sy tery vay manta hataon’ny manampahefana afaka ny manao izany? Ho voadingan’ny fitiavan-tseza sy fitiavam-pahefana ny rariny sy ny marina, tokony handrindra ny fiarahamonina? Iaraha-mahalala rahateo ny zava-misy iainana andavanandron-dRamalagasy. Miiba sy mena ny famantarana.
Mila mijoro sy mitazona ny maha mpiantoka faratampony ny fanajana ny lalàna ry zareo eo anivon’ny HCC. Na inona na inona kajin’ny mpanao politika, fara faharatsiny manaja ny etika sy ny fitsipika mifehy ny fomba fiasa. Tsy mahasakana izay te handresy ho mpandresy ny fipetrahan’ny fitsarana ambony amin’ny toerany. Miandrandra ny fipetrahan’ny fitsarana ambony amin’ny toerany ny vavalalabemandry izay efa misy mifoha tsikelikely ihany ny sasany.
Mba ho antoky ny filaminana sy ny fitandroana ny fitoniana anie ireo raiamandreny nomem-boninahitra ao amin’ny Lapan’Ambohidahy ireo.

r.r

Partager sur: