Notorian’ny tompom-bady: mpisakaiza niara-nidoboka am-ponja

Ela ny ela, nisy tompom-bady sahy nijoro ka nanontsana ny fampirafesana sy fampijaliana natao azy. Raim-pianakaviana iray sy ny sakaizany, izay niterahany roa, no naiditra am-ponja.

Naiditra am-ponja, ny alatsinainy lasa teo, ny raim-pianakaviana iray sy ny sakaizany na ny vadikeliny. Notorian’ny tompom-bady izay vita mariazy taminy ilay rangahy. Efa nisara-toerana nandritra ny taona vitsivitsy izy roa ka nanorina tokantrano imaso tany an-kafa ilay lehilahy. Niterahany dimy ny vadiny, niterahany roa kosa ny vadikeliny. Andaniny, nampiadana ity farany sy ireo zanany izy. Ankilany, tsy niraharaha intsony azy eni-mianaka izy rehefa nandao ny tokantrano.
Vokany, nametraka fitoriana ny vady mariazy noho ny fijaliana nianjady taminy sy ny ankohonany. Nandeha ny fanamarinana nataon’ny va­dintany sy ny zandary avy ao Andranomanelatra. Notratra­rina tao an-tranony teny An­drovakely, Antsirabe, ilay raim-pianakaviana sy ny vadikeliny. Noraisim-potsiny teo am-pisakafoanana izy roa, niaraka tamin’ny zanak’izy ireo. Nosamborina, natolotra ny fampanoavana ka naiditra am-ponja vonjimaika, miandry ny fotoam-pitsarana.

60 isan’andro
Maro amin’ny mpivady, na lahy na vavy, no miaritra fampirafesana. Betsaka koa anefa no tsy sahy mitoroka na misafidy ny fisaraham-panambadiana avy hatrany. Manama­rina ity farany rahateo ny tatitra azo avy eny amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany eto Antananarivo, fa am­polony isan’andro ny mpangataka fisarahana eny an-toerana. Tamin’ny taona 2023 aza dia tafakatra 60 isan’andro ny mangataka hisara-bady. Ny fanambadiana aloha loatra miharo tsy fahamatorana no antony mahatonga izany. Manomboka amin’ny tanora vao misandratra hatrany amin’ny 65 taona ny salan-taonan’ny mpangataka fisarahana eny amin’ny tribonaly Anosy. Manomboka enim-bolana hatramin’ny am-polo taona maro vao mivoaka ny didy mahakasika ny fisaraham-panambadiana.

Tsiferana R.

Partager sur: