Taranja bisikileta – Relaha Jean Claude : lasa lehiben’ny Federasion’ny ranomasimbe Indianina

Hatao any Maurice, ny 28 jona hatramin’ny 3 jolay ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina, taranja bisikileta. Mialoha izany, fantatra fa ny mpitantana ny taranja eto Madagasikara no voatendry ho lehiben’ny fikambanana.

Matoky ny fomba fitantanan’ny Malagasy ny firenena hafa. Araka ny vaovao voaray, omaly, i Relaha Jean Claude, filohan’ ny federasiona malagasin’ny taranja bisikileta (FMC), no voatendry hitarika ny fikambanan’ny Federasiona sy ny komity rejionalin’ny taranja bisikileta aty amin’ny ranomasimbe Indianina.

“Ny fahitan’izy ireo ny traikefa sy ny maha zokiolona ahy ao amin’ity fikambanana ity no nahavoatendry ahy ho filoha”, hoy ny mpitantana ny taranja bisikileta eto Mada­gasikara, Relaha Jean Clau­de. Tanjon’ny fikambanana ny hampiakatra ny fahaizan’ireo mpilalao aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina sy hananganana ekipa kaontinantaly.

Ankoatra izay, misy ny fifaninanana karakarain’ny vondron’ny federasiona aty amin’ ny ranomasimbe Indianina, ny 28 jona – 3 jolay ho avy izao, any Maurice. “Hangataka
amin’ny federasiona iraisam-pirenena izahay mba hampidirana an’ity fifanintsanana ity ao anatin’ny fandaharan’ny UCI, ka hahazo isa izay mandray anjara amin’izany”, hoy hatrany i Relaha Jean Claude.

Atleta tokana
Amin’ity andiany voalohan’ ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe India­nina ity. Ilay Malagasy, Fi­tahian­tsoa Amédée Dino Mohamed, no hiaro ny voni­nahitr’i Mada­gasikara, any Maurice, mandritra ny fifanin­tsanana. Tsara marihina fa miisa valo ireo firenena mandray anjara. An­koatra an’i Maurice, mpampiantrano, hi­fanintsana ao i Madagasi­kara, Comores, Mayotte, La Réu­nion, Maldives, Seychel­les ary i Sri lanka

Fitia Randria

Partager sur: