TARATRY ny KANTO

Mitohy hatrany ny fitetezana sekoly ataon’i Zook Davids. Hihaona amin’ireo mpianatra ao amin’ny Ecole privée Sombiniaiko Andranoro izy, anio manomboka amin’ny 9 ora maraina. Fampisehoana an-tsehatra, fitaizana sy fanabeazana miainga avy amin’ny fanajana ny maha olona (fo, saina, vatana, fanahy). Anisan’ny mampiavaka izany ny fahaiza-mampita hevitra ho an’ny ankizy. Ampiasainy amin’izany ny fomba fitafy mahasarika. Ny Tantara fohy mampieritreritra, sns.

Tontosa omaly, teny amin’ny Cité des Cultures Antaninarenina, ny « 150ème Concert de Midi », nokarakarain’ny Madagascar Mozarteum. Ny ta­ri­ka Ny Antsa Mikalo no nanafana ny sehatra tamin’ity hetsika ity. Nanakoako teny an-toerana ny gadona somary gasigasy nikalo ireo hiran’ny taona 80.

“Tsikonina” ao amin’ny Alliance Française Antsirabe. Haka endrika atrikasa hampitiavana ny hainahandro ho an’ny ankizy izy ity, izay hatao ny 22 jona sy ny 25 jona, samy amin’ny 9 sasany hatramin’ny 11 ora sy sasany, ao amin’ny eiftrano Zurich. Tafiditra anatin’ny fankalazana ny fetin’ny Fahaleovantena sy fanamarihana ihany koa ny iray volan’ny ankizy izany.

Hetsika “Sokaf’hehy”, eny amin’ny CGM Analakely, anio tolakandro. Fampisehoana hatsikana, misokatra ho an’ny rehetra izy ity. Na ho an’ny mpijery izany na ho an’ny mpandray anjara. Ny karazana hatsikana Stand Up no tena ho hita mandritra ny hetsika, noho izy ity manomboka maro mpiangaly, na dia vao haingana ihany aza no teto amintsika.

Partager sur: