Teatra ankehitriny : “Rien-volution”, hozarain’ny Miangaly

Mila fiovana… Manoloana ny zava-mitranga ankehitriny, maniry izany avokoa ny rehetra. Fa fiovana toa ny ahoana? Manohitra izay fanontaniana mipetraka matetika amin’ny ankehitrin’ny Malagasy izay ny “Rien-volution”. Teatra ankehitriny, izay hasehon’ny compagnie Miangaly ny zoma 21 jona izao, manomboka amin’ny 2 ora, eny amin’ny Espace KoloMahaOlo, Loharanombato Vinany.
Rado Ravalison no nanoratra ary i Christiane Ramanantsoa sy i Sarobidy Razafimanantsoa kosa no nandrindra an-tsehatra. Fiaraha-miasa amin’ny Lycée Joseph Ravoahangy Andriana­valona ao Itaosy ny seho, izay tafiditra anatin’ny “Fetin’ny Mozika” sy manokatra ihany koa ny “Fetin’ny fahaleovantena”.
Hanokatra ny tapany voalohany amin’ny seho i Netyk, tanora mpanakanto mpanao rap, izay mpilalao teny sy rima hiresahany ny lohahevitra ihany koa. Hisy ampaham-potoana hatokana hitafatafana miaraka amin’ireo mpanakanto amin’io, aorian’ny fampisehoana.

Zo ny Aina

Partager sur: