Maty voatifitry ny polisy teny Marais Masay i Dodol, jiolahy raindahiny mpanao fanafihana mitam-piadiana, ny sabotsy 15 jona teo. Niara-nametrahan’ny polisy vela-pandrika io olon-dratsy io sy ny namany roa lahy saingy tafaporitsaka ireo mpiara-manao ny asa ratsy aminy.
Maty voatifitry ny mpitandro filaminana ny jiolahy raindahiny amin’ny fakana an-keriny tao amin’ny kaominina Sakoamadinika, distrikan’i Tsaratanàna, ny sabotsy 15 jona teo. Nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika toy ny basy AKM iray niampy bala miisa roa io olon-dratsy io ary nikasa hamely ny zandary nisambotra azy.
Naratra vokatry ny tifitra nahazo azy ny zandary iray tao Mangasoavina, kaominina Tsinjoarivo 22, distrikan’i Fenoarivobe, afakomaly. Tsy hatahorana ny ain’io mpitandro filaminana nisy nitifitra io. Karohina kosa ny nahavanon-doza.