Hotanterahina ny 21 sy 22 jona izao, etsy amin’ny Orange Digital Center, gara Soarano, ny hetsika Zah@Geek 3.0. Fotoana iray hampivondronana ireo mpisehatra samihafa eo amin’ny tontolon’ny niomerika sy ny haitao ara-kajy mirindra. «Hamaly ny filàna amin’ny fitadiavana asa eo amin’ny sehatry ny niomerika izay tena mbola malalaka eto amintsika ny Zah@Geek» hoy ny tale jeneralin’ny Orange Madagascar, Frédéric Debord, omaly, tetsy amin’ny gara Soarano, nadritra ny fampahafantarana ny hetsika. «Mihoatra ny 5 000 ny tanora andrasana mandritra io fotoana io», hoy kosa ny fanazavan’ny tale mpitantanana ny maha olona (DRH) eo anivon’ny Orange Madagascar, Andriantsilavo Zo. Hanampy ny tanora amin’ny fitadiavana asa ny hetsika atao, noho izy hampivondrona orinasa mihoatra ny 40 mandritra ny roa andro. Araka izany, hisy ny « job datings » sy ny « speed recruting » handraisan’ireo orinasa samihafa fangatahana asa. Ankoatra izay, hiompana manokana amin’ny fampiasana ny saina voatr’olombelona (intelligence artificielle) ity andiany fahatelo amin’ny Zah@Geek ity raha fanazavana hatrany. Izany hoe hampahafantarina ny mpitsidika ny tontolon’ireo IA amin’ny fampivoarana ny fiainan’ny orinasa sy ny andavanandron’ny tsirairay. Ankilany, hisy ny fanentanana samihafa sy lohahevitra hovelabelarina eo amin’ny sehatry ny niomerika sy ny tontolon’ny asa, ny Masterclass ary ny hackaton mandritra ny roa andro.
Henintsoa H.