Manatanteraka atrikasa ho fanatsarana ny fomba fiasa anatina fifanakalozan-kevitra ireo mpitsara misahana ny fitsarana ny ankizy tsy ampy taona. Nivoitra tamin’izany ny hampitoviana ny fampiharana ny lalàna mihatra amin’ireo zaza tsy ampy taona. Na ireo nanao heloka na niharam-boina izany. Hiara-mijery koa ny fampiharana ireo fifanarahana iraisam-pirenena nankatoavin’i Madagasikara sady nampahafantarina ireo mpitsara rehetra mandray anjara. “Anisan’ny hijerana vahaolana ny fanenana ny fotoana hametrahana ireo zaza latsaky ny 18 taona any amin’ny toeram-pamonjana, saingy hapetraka any amin’ny toerana fanabeazana”, hoy ny minisitry ny Fitsarana, Randrimanantenasoa Landy Mbolatiana, tamin’ ny fanokafana ny atrikasa.
Halatra madinika sy fifamonoana
Nanteriny fa iaraha-miasa amin’ireo akany fitaizana ankizy tsy ampy taona ny famahana ny olana mety sedrain’izy ireo ary koa ny hijerena ny olana sedrain’ny mpitsara misehatra ao anatin’izany.
Tsiahivina fa maherin’ny 600 eo ireo ankizy tsy ampy taona voafonja manerana ny Nosy, araka ny antontan’isa avy ao amin’ny minisiteran’ny Fitsarana. Anisan’ny hiampangana azy ireo ny halatra madinidinika sy ny resaka fifamonoana. “Miisa 37 ireo akany mandray azy ireo eto Antananarivo raha vitsy kosa izany ny any amin’ny faritra”, hoy ihany ny minisitra.
Synèse R.