Baolina kitra : marisarisa ny fifandraisan’ ny FMF sy ny ligin’Analamanga

Toa mifandraika amin’ny toetr’andro amin’izao fotoana izao, ny fifandraisana eo amin’ny ligin’Analamanga sy ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Efa miseho tsikelikely fa misy ady manara eo amin’ny roa tonta.

Tsy miady tsy miady fa ny kibay an-kelika ihany. Izay no azo ilazana ny fiarahamonina eo amin’ny ligin’Analamanga sy ny Fe­derasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), amin’izao fo­toana izao. Efa ela no nahatsikaritra ny mpankafy ity taranja ankamamian’ny Malagasy ity, fa tsy manga toy ny taloha intsony ny fiaraha-miasa eo amin’ny andaniny sy ny ankilany.
Nanaporofo izany ny zava-nisy ny alahady 9 jona lasa teo, nandritra ny famaranana niadiana ny ho tompondakan’ny ligin’Analamanga D1, na­tao teny amin’ny kianja By-Pass. Tsy nahitana komity mpitantana eo anivon’ny FMF, tonga nanome voninahitra izany lalao izany. Naneho ny alahelony sy ny hatezerany, tamin’ny mpanao gazety ny filohan’ny ligin’Analamanga, Rakotoarimanana Henintsoa (Tôta), fa fanaovana tsinontsinona ary fanamaivanana azy ireo ny tsy fahatongavan’ireo mpitantana. “Ny mahagaga anay, vahiny vao tonga tamin’ny fiaramanidina anikeheo (alahady 9 jona) i Etienne Sockeng, io hitanareo mijery baolina io fa ny komity mpitantana izay voafidy ao amin’ny FMF tsy misy tazana eto izay efa nandefasana fanasana mialoha”, hoy i Tôta.
Mety efa lonilony nisy ve?
Tsiahivina fa niainga tamin’ny olana nisy teo amin’ny AS Fanalamanga sy ny Fosa Jr, io olana anaty nisy eo amin’ny federasiona sy i Tôta io, izay filohan’ny Club de foot-ball elite de Madagascar ary nitohy tamin’ny gidragidran’ny 3FB sy ny Mama FC. Tsy hay intsony na mety efa lonilony nikotrika, tamin’izany ny mahatonga izao faharisarisana eo amin’ny fifandraisan’ny roa tonta izao. Ny lalao dia mbola hitohy ka ho hita izay tsy mahafaty baolina.

Tompondaka

Partager sur: