COMFWB-« Trade Fair » : omena lanja ny vehivavy mpandraharaha

Hatao ny 28 sy ny 29 jona ho avy izao ao amin’ny Novotel Ivandry, ny hetsika iraisam-pirenena ara-toekarena, “Trade Fair & conference”.

Andiany fahadimy izy ity ary andiany voalohany kosa ho an’ny firenena miteny frantsay, toa an’i Ma­da­gasikara. Mikarakara azy ny federasion’ny fikambanan’ ny vehivavy mpandraharaha ao amin’ny tsenam-paritra Comesa (COMFWB), miara-miombon’antoka amin’ny Vondron’ny vehivavy mpandraharaha eto Madagasikara (GFEM). Hanome voninahitra ny fotoana ny vadin’ny filoham-pirenena, Rtoa Rajoelina Mialy.
Nilaza ny filohan’ny COMFWB, Razakaboana, Fanja, fa maherin’ny 500 ny mpandray anjara amin’ny “Trade Fair & Conference”, ahitana mpampiranty 150 avy any amin’ny firenena 21 aty Afrika. Hisy ny tranoheva ahitana ny vokatry ny orinasa tantan’ireo vehivavy mpandraharaha afrikana ireo, iandrasana mpitsidika 3 000. Ahita­na seha-pihariana samihafa, toy ny fanodinana ara-tsakafo, ny momba ny trano, ny fiofanana, ny lamba sy akanjo, ny famoronana sy ny lamaody, ny taozavatra, ny fizahantany, ny teknlojia Tic, ny tontolon’ny vola, ny angovo, sns.
Eo koa ny fihaonana mi­vantana B2B eo amin’ny samy mpandraharaha sy ny mpiara-miombon’antoka. Miisa enina ny lohahevitra ho velabelarin’ny teknisiana avo lenta arahina adihevitra. Mifantoka amin’ ny fifanakalozana ara-barotra malalaka aty Afrika (ZLECAF), ny fampiasam-bola maitso, ny teknolojia niomerika sy ny hafa.

Njaka A.

Partager sur: