« Diary Nofy »: nivoaka ny boky faharoa, amin’ny endriny fihaino

Mitondra ny ankizy any anaty nofinofy… Nahitana fanatsarana raha oharina amin’ilay andiany voalohany ilay boky « Diary Nofy », nampahafantarina omaly koa ny endriny fihaino.

Boky fa fihaino. Efa fanao izany, ary tsy natao ho an’ireo manana fahasembanana amin’ny maso ihany, fa ho fampitiavana bebe kokoa ny boky ihany koa. Efa mivoaka amin’ny endriny fihaino ny boky « Di­ary Nofy » andiany faharoa, izay nampahafantarina omaly, tetsy amin’ny foiben’ny Telma Andraharo. Nampaha­fanta­rina niaraka tamin’izany koa ny endriny amin’ny teny frantsay, raha toa ka tamin’ny teny malagasy fotsiny ihany no nivoaka tamin’ny taon-dasa.
« Amin’ny maha tetikasa azy dia misy hatrany ny fanavaozana. Somary tsapa fa be soratra loatra ny andininy voalohany, ka nampiana tantara an-tsary tamin’ny faharoa. Natao mba ho mora kokoa ho an’ny ankizy ny hamaky sy handray ireo hafatra hampitaina anatin’ny boky. Vao mainka hampivelatra ny mpamaky ny endriny vakian-tanana sy ny fihaino, izay hampahafantarina izao », hoy ny nambaran’i Harisson Rado Patrick, tompon’andraikitry ny ONG Teach for Madagascar, izay vy nahitana ny tetikasa « Let’s read », nipoiran’ny boky « Diary Nofy ».
Raha tsiahivina tokoa, niainga tamina fifaninanana ny taona 2019 ny tetikasa. Tantara 5 no notsoingaina ho havoaka boky tamin’izany. Nahatratra 30 000 ny boky « Diary nofy » navoaka, izany naparitaka nanerana ireo EPP maherin’ny 10 000 manerana ny Nosy. Nivoaka tamin’ny endriny fihaino sy azo vakian-tanana ihany koa io.
12 000 kosa ny isan’ny boky andiany faharoa efa natonta. Olo-malaza maro no nampindrana ny feony niara-nanatontosa izany : Esther Randriamamonjy, Claudia Picher Andriatsitohaina, Max AntoineAndonirina, Jaojoby, Denise, Shyn ; Isabelle Sala­bert, Eillen Akbaraly, Bolo, Hanta Ramakavelo, Gaelle Borgia, Mirado Ravohitrarivo, Mose Njo, Antsaly Rajoelina…

Zo ny Aina

Partager sur: