Euro 2024 : famaranana kely ny an’i Italie sy i Espagne

Hanamarika ny andro faharoa, hiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina kitra «Euro 2024», tanterahina any Allemagne ity ny lalao anio. Fihaonana, ho an’ny sokajy «B», hifanandrinan’i Italie sy i Espagne. Hiendrika famaranana kely mialohan’ny fotoana izany, satria ekipa roa samy manana isa 3. Ankoatra izay, hikatroka i Slovenie sy i Serbie ho an’ny sokajy “C” ary i Danemark sy i Angleterre.
Efa tapitra nahatanteraka ny andro voalohany avokoa ireo ekipa rehetra miatrika ity «Euro 2024», ity. Raha ny vokatra, saika sahirana avokoa ny ankamaroan’ireo ekipa vaventy. Anisan’izany i Portugal, nikatroka tamin’i Tchecoslovaquie ny talata lasa teo. Efa tany amin’ny fanampim-potoana 90 + 2 mn vao nahafaty ny baolina nandreseny, tamin’ny isa 2 no ho 1 ry Ronaldo. Nahafaty ny baolina voalohany, ry zareo Tchecoslovaquie, tamin’ny alalan’i Provod (62 mn). 7 mn taorian’izay vao nahasahala ny isa i Portugal raha namono tena i Robin Hranac. Teo amin’ny vokatra ilany, resin’i Turquie tamin’ny isa mazava, 3 no ho 1, i Geogie.

Tompondaka

Partager sur: