Miharihary ny tsy fitoviana eo amin’ny firenena mandroso sy ireo mbola an-dalam-pandrosoana ho an’ny fampandrosoana ny maha olona, araka ny tatitry ny Fandraharanasan’ny Firenena mikambana momba ny fampandrosoana (Pnud) ho an’ny taona 2023-2024, omaly teny Ankorondrano.
Amin’ny firenena 35 andalam-pandrosoana, 18 amin’ireo tsy mbola nahatratra ny tahan’ny fandrosoana ny maha olona nananany ny taona 2019. Anisan’ny tafiditra ao i Madagasikara satria navesatra ny vokatry ny fipariahan’ny valanaretina Covid-19 sy ny takaitran’ny rivodoza sy ny tondradrano nisesisesy teto amintsika. “Efa nisy ny ezaka nataon’ny fanjakana amin’ny fizarana tohana hitsinjovana ny maha olona sy hanamafisana ny fiarenana ho an’ny isan-tokantrano. 2 tapitrisa mahery ny tokantrano nahazo fanampiana sosialy amin’ny vatsy tsinjo (sakafo), 112 000 ny tokantrano nomena vola (vatsin’ankohonana) hanampiana amin’ny fampianarana ny kilonga ary tokantrano 105 000 nisitraka tohana rehefa nanao asa iombonana amin’ny Asa avotra mirindra”, hoy ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo. Tafiditra ao anatin’ny fototry ny asan’ny governemanta rahateo ny fanamafisana ny maha olona. “Azo ambara fa firenena miarina i Madagasikara nanomboka ny taona 2022 noho ny ezaka vita ka hita taratra amin’ny tondro ho an’ny fampandrosoana ny maha olona (IDH)”, hoy ny talen’ny fanadihadiana eo anivon’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rakoto Dimby. Ilaina anefa ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy ny famanafisana ny fanohanana ny ankohonana sy ny orinasa eto amintsika. Tondro hitarafana ny fampandrosoana ny maha olona ny sora-bola miditra amin’ny isam-batan’olona, ny tahan’ny fidirana an-tsekoly ary ny fahalavan’ny fotoana hahavelomana.
Manantena tohana bebe kokoa amin’ireo mpiray ombon’antoka i Madagasikara, araka ny nambaran’ny minisitry ny Toekarena. Ho fitaovana ho an’ny mpanapa-kevitra ity tatitra ity hitondrana ny asa maika hanatsarana ny fampandrosoana ny maha olona, hoy ny solontenan’ny Pnud eto amintsika, Natasha Van Rijn.
Vonjy