“Fepetra iray hisorohana ny kolikoly ny fanaovana fanambaram-pananana. Tsy tonga dia ampiasaina amin’ny fanaovana fanadihadiana ny fanambaram-pananana”, hoy ny tale jeneralin’ny Bianco, Andrianirina Laza Eric Donat, teny Ambohibao, omaly, taorian’ny nandraisany ny fanambaram-pananana avy amin’ireo tomponandraikitra ambony eny anivon’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany. Fomba iray hampangaraharana ny fiharian-karena ho an’ny mpiasam-panjakana koa ny fanambaram-pananana. Ny dikan’izay tsy tokony hisy hanjavozavo izany, na sanatria famoronana ny tsy misy amin’ny fampitomboana na fampihenana azy. Misy valiny ny asa rehetra atao. Toy ny hoe rehefa tsemboka ny tena, misy ny valin-katsembohana. Raha misy ny halatra atao, misy ny vokatra mifanaraka amin’izany. Tsy izay lafiratsin-javatra izay akory no tanjona, fa izay aza no ezahina ny tsy hanaovana azy.
R. Nd.