Notanterahina, omaly, ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy ny filohan’i Afrika Atsimo, Cyril Ramaphosa. Nisolo tena ny filoha Rajoelina Andry any an-toerana ny Praiminisitra Ntsay Christian.
Nigadona tao Pretoria, omaly tolakandro ny lehiben’ny Governemanta, i Ntsay Christian. Nanatrika ny lanonana, nametrahana amin’ny fomba ofisialy ny filoha, i Cyril Ramaphosa. Voafidin’ ireo solombavambahoaka tamin’ ny fifidianana notontosaina ny 29 mey lasa teo hitondra indray an’i Afrika Atsimo ny tenany.
Tonga nitsena ny praiminisitra teny am-pahatongavany teny amin’ny seranam-piaramanidin’i Waterkloof Base ny minisitry ny Polisy, i Bheki Cele.
Nihazo avy hatrany ny ao amin’ny Union Building, Pretoria, ny Praiminisitra Ntsay Christian avy eo, niatrika ny nanatanterahana ny lanonana ofisialy hametrahana ny filohan’i Afrika Atsimo.
Governemanta iraisana
Hiditra amin’ny fe-potoam-piasana faharoa indray izany ity filoha ity amin’izao faha-71 taonany izao. Na izany aza, nisedra olana tsy nahazo ny maro anisa ny antokony, ny ANC tamin’ny fifidianana depiote farany teo ka tsy maintsy nifampiraharaha amin’ireo depiote mpifanandrina taminy. Sambany teo amin’ny tantaran’ity antoko natanjaka nandritra ny taona maro ity izany. Tsy azo ihodivirana noho izany ny lalana hirosoan’i Afrika Atsimo manombona izao. “Hanangana governemantan’ny firaisam-pirenena sy tsy manavaka na manilika ny hafa isika. Tsy maintsy jerena ny tombontsoa ambonin’ny firenena”, hoy izy. Nanteriny fa ho hita ao anatin’izany ny antoko DA sy ireo avy amin’ny nationaliste zoulou Inkhata sy ireo antoko madinika, manana depiote eo anivon’ny Antenimiera afrikanina tatsimo.
Synèse R.