Fiarovana ny tontolo iainana : hiara-hiasa ny PAM sy ny minisitera

Ho fanampiana ny vondron’olona marefo hiarina aorian’ny loza voajanahary, hiara-hiasa ny fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo (PAM) sy ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy. Natao tany Toliara ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana teo amin’ny roa tonta. Hiompana manokana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy hetsika mifandraika amin’izay no hatao amin’ireo faritra iasan’ny PAM eto Madagasikara. Hiofana manokana momba ny fiarovana ny tontolo iainana ny ekipan’ny PAM ka hoentina eny an-kianja ny fampiharana miaraka amin’ireo olona mpisitraka ny tolotra omeny. Hanatanteraka fambolen-kazo ny PAM sy ny mpiray ombon’antoka aminy ary hatao ho asa mitohy izany mandritra ny fotoam-pambolena isan-taona. Tanjona roa no kendrena amin’ny fiaraha-miasa : hisian’ny antoka ara-tsakafo sy fiarovana ny rohivoahary eto amintsika. Hisokatra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny PAM manomboka izao amin’ny fandahaharanasa toy ny fanomezana vahaolana amin’ny angovo maharitra hampiasain’ny sekoly sy ny vahoaka.

Vonjy

Partager sur: