Hotanterahina ny 16 hatramin’ny 21 jolay ho avy izao etsy amin’ny kianja Barea
ny “Foarabe fampivoarana”. Hetsika karakarain’ny sampana fitantanam-piainana krisitianina (Fipikri) eo anivon’ny federasiona advantista Madagasikara Afovoany (FMC). «Tanjona ny hampivoatra ny farim-piainan’ny mpandraharaha rehetra amin’ny alalan’ny hetsika», hoy ny filohan’ny FMC, Andriamparatiana Fanera, nandritra ny fampahafantarana izany tetsy Mahamasina, omaly. Fotoana hifanakalozana traikefa sy hifankafantaran’ireo mpandraharaha madinika sy ny vaventy ihany koa izy io. Hahafahana mifanohana sy hahaizana mifanampy ary miara-miasa izany fifankafantarana izany, raha ny fanazavana hatrany. Ahitana varotra fampirantiana ireo vokatra amin’ny seha-pihariana rehetra, toy ny fambolena, fiompiana ary ny jono eny an-toerana. Ho hita eny ihany koa ny fanodinana sy fampiroboroboana ara-barotra, toy ny teknolojia moderina, ny fitsaboana ara-boajanahary, ny taozavatra malagasy…
Hisy “Podium” isaky ny hariva
Ankoatra ny fampirantiana, hisy ny «podium» isaky ny folakandro eny an-toerana hanehoan’ireo manan-talenta eo anivon’ity fiangonana ity. Hanaovana ny hira ara-pilazantsara iarahana amin’ireo mpanakanto advantista. Tsy hadino koa ny ankizy amin’ny toerana natokana hialan’izy ireo voly, mba hanomezana fahafaham-po azy ireo mandritra ny vanim-potoanan’ny fialantsasatra. Hofaranana amin’ny lalao ara-panatanjahantena ny foara ny andron’ny alahady. Toy ny baolika kitra sy ny baskety.
Mino