INDRAY MIJERY

Ahitana fidinana ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra eto Antananarivo. Manodidina ny fetran’ny OMS avokoa ny refy rehetra voaray, araka ny tatitra navokan’ny foibe famantarana ny toetry ny andro, nanomboka ny 11- 17 jona lasa teo. Ao anatin’ny telo andro ho avy, vinavinaina hijanona ho antonony izany amin’ny ankapobeny. Mbola hijanona hafanafana hatrany ny andro indrindra amin’ny afovoan-tany sy ny ilany atsinanan’ny Nosy.

Manana mpiadina 256 amin’ny fanadinam-panjakana ny CEG Ambohidratrimo amin’ity taona ity, hoy ny talen’ny CEG, Ranivoarison Rija. Nandritra ny andrana farany tamin’ny fanadinana, 46% ny taham-pahafahana nefa tsy kivy ny mpanabe fa miakatra hatrany ny taha rehefa avy eo. Matetika ny taranja Mathématique, fizika no tena manahirana ny mpianatra amin’ny ankapobeny.

Tsy mety midina ny vidin’ny tongolobe eny amin’ny tsenam-pokontany. 8 000 Ar ny iray kilao ary matetika tsy mbola maina tsara ka mora lo raha tehirizina maharitra, fa tsy maintsy ampiasaina avy hatrany. Ny atody akoho dia miakatra 50 Ar isan-kerinandro, 850 Ar ny iray amin’izao fotoana izao.

Efa hiditra amin’ny fotoana fialantsasatra lehibe ny mpianatra amin’ny herinandro ambony. Vita avokoa ny fanadinana fifindrana kilasy fa ireo mbola hiatrika ny fanadinana BEPC sy bakalorea no mamita ny fizarana samihafa mandra-piandry ny fotoam-panadinana. Ireo nanala ny fanadinana CEPE kosa miandry ny valim-panadinana vao handeha hiala sasatra.

Partager sur: