Loholona Tsiebo Mahaleo: “Fandikan-dalàna ny fandrahonana ny HCC”

Hanao ahoana ny valim-pifidianana depiote? Samy manana fijeriny ny tsirairay, arakaraka ny toerana misy. Manana ny fijeriny ny loholon’i Madagasikara, i Tsiebo Mahaleo Richard Victor. Fanehoan-kevitra…

“Tsy ekena ny finiavana hanao sinto-mahery na bodongerona fotsiny izao… Ry zareo mpanohitra milaza azy ho manara-dalàna indray amin’izao no mandika lalàna. Fandikan-dalàna ny fampitahorana sy fihantsiana”. Io ny fanehoan-kevitry ny loholon’i Madagasikara, i Tsiebo Mahaleo Richard Victor, manoloana ny fihetsiky ny mpanohitra sasany mampitahotra ny hitondra olona hidina an-dalambe rehefa tsy mifanaraka amin’izay iheveran-dry zareo azy ny valim-pifidianana ofisialy havoakan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) tamin’ny fifidianana solombavambahoaka. Teren-dry zareo mpanohitra sasany tsy hanara-dalàna ny HCC amin’izany, fa hanaraka ny sitrapon-dry zareo. Tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy izany, fa tsy ara-drariny sady tsy ara-dalàna. Fanjakana tan-dalàna i Madagasikara. “Aoka samy hipetraka amin’ny toerana izay ametrahan’ny lalàna azy ny tsirairay”, hoy izy.
Tahaka ny lalao sy ny fifaninanana rehetra ny fifidianana, araka ny nambarany. Rehefa mandray anjara amin’izany ny tena, vonona hanaraka ny fitsipi-dalao. Ny fitsipi-dalao amin’ny fifidianana: mirotsaka ny tena, ary manaraka ny lalàna rehetra mifehy azy. Tsy vitan’izany, atao amin’ny fomba ara-dalàna koa ny fitoriana amin’ny fiarovana ny vaton’ny tena. Efa misy ao amin’ny lalàna mifehy ny fifidianana ireo dingana sy fomba atao amin’izay fitoriana izay. Izay no tokony harahin’ny rehetra, fa tsy hoe ndeha hitarika olona hidina an-dalambe, hanao fihantsiana, indrindra hanao fampitahorana ny HCC hoe raha tsy manaraka ny hevitry ny tena ry zareo dia ho hita eo…
“Tsy mety kosa aloha izany”, hoy ihany izy. Satria manana ny anjara asany voafaritra ny eo anivon’ny HCC. Tsy mety raha sady mpilalao no mpitsara ny tena. Tokony hanana fanetren-tena izany, ary hanaiky fa hoe tapitra eo amin’ny fametrahana fitoriana ny anjaran’ny tena. Manomboka eo amin’izay fametrahana fitoriana izay, any amin’ny HCC ny raharaha. Rariny ny filohan’ny Repoblika raha mampahatsiahy fa avelao hanatanteraka ny asany amim-pilaminana sy amim-pitoniana ny fitsarana mahefa amin’ny raharaham-pifidianana.

R. Nd.

Partager sur: