Mamofopofona asaramanitra ny tanàna. Nanomboka omaly ny fametrahana ireo fitaovana fanamafisam-peo amin’ny faritra maro manerana ny Nosy, hanaovana ny « podium ». Efa mahoraka ny kerimesy isaky ny sakelin-tanàna. Feno hipoka hatrany ny trano fisotroana. Mahazo mpanjifa maro ny mpanao “kodia kely” sy ny “ tornieky”. Maresaka e!
Mifanindran-dalana amin’izay, mila mampitombo ny fahamalinana sy ny fitandremana koa ny isan-tokantrano. Mahazo vahana ny hala-boty sy ny vaky trano etsy sy eroa. Mitady vola amin’ny fomba manandrify azy ny tsirairay. Misy ny mandeha mahitsy, eo koa ny mivaralila sy mitady hirika hamotehana sy hitsetsafana ny hafa. Mila mahita “ hampirevena” ny ankohonana fotsiny.
Mahavarina amin’izao fotoana izao fa betsaka ny fianakaviana tsy manontany akory izay loharanom-bola miditra ny tranony. Ampy ny fisian’ny sakafo atokona, sy ny fahafahana mividy lamba tsy hiboridanana. Tsy mampaninona an-dRamalagasy intsony ny miaina ambony alahelo sy ranomasin’ny hafa.
Manao izay danin’ny kibony ny olon-dratsy. Mizahozaho izay misy mpiaro. Manjaka ny tsimatimanota sy ny ambonin’ny lalàna. Misy ireo mihevi-tena ho tompon-tanàna ankitsirano. Na eny anivon’ny fokontany izany, na eo anivon’ny firenena. Zary ilay hasin’ny firenena mihitsy no latsaka ambany dia ambany.
64 taona izao no nahazoantsika ny Fahaleovantena. 64 taona izay tokony efa hahitana taratra na tena efa higohan’ny taranaka tombontsoa maro. Hoenti-mampandroso ilay firenena andaniny, hoenti-mampiadana ny isan-tokantrano, ankilany. Mbola lavitry ny afo anefa ny kitay! Tsy ato ato no ho afaka hamindro amin’izany ny sarababem-bahoaka. Mbola mila misikim-ponitra anatin’ny fanovana toe-tsaina sy fomba fiasa ary ny famaritana ny atao hoe fitiavan-tanindrazana.
r.r