Nanao rodobe teny amin’ ny biraon’ny Bianco eny Ambohibao, omaly 19 jona 2024, ny mpitantana ambony ao amin’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany (MIM) sy ireo rantsa-mangaika ao aminy, toy ny Omnis, ny BCMM, ny Anor, sns. Napetraka teny ny antontan-taratasy mirakitra ny fanambaram-pananan’izy ireo, izay fanao ho an’ny mpiasa ambony eny anivon’ny rafi-panjakana araka ny lalàna 2013-020.
Nitarika ny delegasiona ny sekretera jeneralin’ny MIM, Razananirina Delice, izay nilaza fa manana ny rafitra fitantanana ny ady amin’ny kolikoly ny minisitera. Endriky ny fisian’ny fitantanana mangarahara sy madio, lavitry ny kolikoly izao fanambaram-pananana izao, mba hahazoana vokatra tsara kokoa amin’ny fanatanterahana ny asa.
Nanamarika ny tale jeneralin’ny Bianco, Andrianirina Laza, fa zava-dehibe tokoa izao nataon’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany izao. Anjaran’ny Bianco ny manentana ny mpitantana ambony hanao ny fanambaram-pananana, nefa tsy niandry izany ity minisitera ity, fa nanao rodobe nanatitra ny azy ireo teny an-toerana. «Mino aho, fa ny fananana tena misy, tsy mihoatra, tsy latsaka, no nambaranareo tao anatin’ny fomba ara-drariny sy ara-dalàna no nahazoana azy», hoy ihany izy.
Njaka A.