“Aoka samy hanaraka sy hanaja ny lalàna ka raha misy ny olona tsy manara-dalàna sy ny lalàna voadika dia aoka hihatra ny lalàna mifanaraka amin’izay”, hoy ny Profesora Ange Andrianarisoa. Mandeha ny resaka manoloana ny filazana ny fisian’ny tsy fanarahan-dalàna maro samihafa, nandritra ny zotram-pifidianana solombavambahoaka. Araka ny nambaran’ity Profesora ity hatrany, afaka mitory ny rehetra miaraka amin’ny porofo ary misy ny fitsarana sy ny lalàna mifanaraka amin’izany, izay manatanteraka ny andraikiny.
Naneho ny heviny mahakasika ny fiasan’ny rantsa-mangaika miandraikitra ny fifidianana ihany koa ny tenany. Nandritra izany no nilazany fa nahatanteraka ny andraikiny antsakany sy andavany, izay voafaritry ny lalàna, raha ny SRMV sy ny Ceni manokana. Eo am-panatanterahana izany kosa ankehitriny ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) ary notsindriany fa “izay araka ny lalàna no tsarain’ny HCC fa tsy izay tian’ ny kandidà na vovonana samihafa.”
Efa maro ny mahalala sy mahafantatra lalàna, indrindra ny olon-tsotra. “Izay tokony ho izy no takin’ny vahoaka. Taratra izany amin’ny savorovoro misy eny rehetra eny”, araka ny nambaran’ity olon’ny antoko Arema ity.
Lin