SOMBIM-BAOVAO

Hiditra amin’ny andro faharoa ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, ho an’ny sokajy D1, vehivavy. Fihaonana hatao etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny alahady 23 jona izao. 3FB hikatroka amin’ny ASUT ary ny FTM Manjakaray hifanehitra amin’ny FTFA Antohomadinika.
Nitohy omaly tany Antsirabe ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara taranja basikety, sokajy N1A. Raha ny vokatra teo amin’ny lehilahy, resin’ny NGB Itasy tamin’ny isa tery, 73 no ho 72 ny ASS Menabe. Anisan’ny lalao nahafinaritra ny rehetra ny fihaonan’ny roa tonta, izay nampitsanga-mitoetra hatramin’ny farany.
Ho fantatra amin’ny alahady ho avy izao, ireo ekipa roa hiatrika ny famaranana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra “Pureplay football league”. Hiady izany ny 3FB sy ny Elgeco Plus, lalao hatao any Toliara ary ny Disciples FC sy ny Zanakala FC etsy amin’ny kianja Elgeco Plus Stadium.
Tsy ho anisan’ireo mpilalao handrafitra ny Albiceleste, hiatrika ny lalao Olympika tanterahina any Paris, France, i Lionel Messi. Nambarany fa noho ny fifanindriny amin’ny Copa America ny antony voalohany ary ny taonany efa 37 amin’ny 24 jona ho avy izao ny faharoa. Tsiahivina fa efa nahazo ny medaly volamena tamin’ny JO i Messi ny taona 2008.

Partager sur: