Tsipy kanetibe – Masters 2024 : hanainga amin’ny sabotsy ny ekipa malagasy

Raha tsy misy ny fiovana farany, hanainga hihazo an’i Frantsa amin’ny sabotsy 22 jona ho avy izao ny ekipam-pirenena malagasy, taranja tsipy kanetibe, hiatrika ny “Masters 2024” sy ny “Estival”. Miandry ny fotoana ao amin’ny masoivoho frantsay sy ny fivoahan’ny fahazoan-dalana “visa” ireo mpilalao, ankehitriny. Mandra-piandry izany, manohy ny fanazaran-tenany etsy amin’ny Arcadia Anala­kely izy efatra mirahalahy hanao ny “Masters”, Ny Ha­vana sy i Baloti ary i Tselonina miaraka amin’i Hery (Monde). Eo koa i Radoko, i Nanou ary i Zigla sy i Bruno hiatrika ny “Tournoi Estival”
Raha tsy afaka miara-miainga fa mizara roa ny fandehanan’ny delegasiona malagasy, mandeha voalohany ny ekipa “Masters”. Raha tsiahivina, hanomboka ny 26 jona ho avy izao ity fifaninanana ity. Faritra efatra ao Frantsa no hanatontosana ireo dingana efatra amin’ity. Hisantatra izany ny ao St Gilles Croix de vie. Ny dingana faharoa, ao Nevers ny 21 sy 22 aogositra ary ny fahatelo ao Romans sur Isère, ny 27 sy 28 aogositra ary ny “Final four” ao Saintes Maries de la Mer, ny 8 sy 9 septambra.
Fifaninanana mitety faritra kosa ao anatin’izao vanim-potoan’ny hafanana any Frantsa izao kosa ny “Estival”. Afaka mandray anjara amin’io fifaninanana io ry zalahy miatrika ny “Masters”, noho ny fotoana malalaka tsara.

Tompondaka

Partager sur: