VAOVAO TAMBATRA

Tafakatra 37,7% ny fanondranana vokatra lamba nataon’i Madagasikara nihazo an’i Etazonia tamin’ny taon-dasa raha oharina tamin’i Frantsa izay 22,13%. Mitentina hatrany amin’ny 4 miliara dolara ireo vokatra naondrana. Firenena voalohany manafatra ny vokatry ny indostrian’ny lamba eto Madagasikara i Etazonia.

Harahi-maso ny kalitaon’ny sira misy ioda any amin’ny faritra Androy. Tanjona ny hahatrarana ny taham-pahavitrihana ny fampiasana izany ho 90% amin’ny taona 2026 raha mbola 40% izany amin’izao fotoana. Ankehitriny, hamafisina ny traikefan’ireo mpanara-maso hahatrarana ny tanjona apetraka.

Manao jery todika ny fampiasam-bolam-panjakana mikasika ny fambolena ny Banky Iraisam-pirenena, nanomboka ny volana jona teo. Voakasik’izany ny fambolena, ny fiompiana, ny jono ary ny ala eto Mada­ga­sikara, ny taona 2013-2022. Nojerena ny fahombiazana sy ny lesoka mila arenina.

Niofana momba ny fifanarahana amin’ny jono ny fikambanana firaisamonim-pirenena (OSC) sy ny vondron’ny mpanjono madinika. Anisan’izany ny fifanarahana amin’ny Vondrona Eoropeanina sy ny firenen-kafa manjono aty amin’ny fari-dranomasin’i Madagasi­kara. Manohana ny atrikasa ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga.

Partager sur: