“Mba hitsara amim-pahamarinana ny HCC”. Io no anisan’ny nambaran’ireo kandidà depiote natolotry ny vondrona Firaisankina, teny Andrainarivo, omaly, amin’izao fiandrasana ny valim-pifidianana ofisialy havoakan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) ny amin’ny raharaham-pifidianana depiote natao tamin’ny 29 mey izao. Mahatratra anarivony ny fitoriana tonga eny Ambohidahy momba ny raharaham-pifidianana. Nitondra ny tenin’izy ireo ny depiote kandidà, ny Me Razafimanantsoa Hanitra, nampahatsiahy ny lalàna fehizoro 2018-08 mifehy ny fifidianana. Nisy, ohatra, ny fandikan-dalàna nataon’ny manampahefana eo anivon’ny fitondrana tao anatin’ny fampielezan-kevitra. Samy nety nisy tsy fanarahan-dalàna na tsy fahatomombanana tamin’ny fikarakarana fifidianana sy fikirakirana valim-pifidianana teny anivon’ny Ceni, sampana mpanisa vato (SRMV), fokontany; eny, na mety ho fanodinkodinam-bato tany anivon’ny tokantrano sasany aza. Izay no nanaovan’izy ireo antso avo ny HCC hitsara ny raharaha amim-pahamarinana.
R. Nd.