15 000 ny olona tratran’ny katarakta eto amintsika, 1% ny tahan’ny fahajambana ka ny 50% amin’ireo vokatry ny aretina katarakta tsy voadidy avokoa. Tsy mbola ampy ny Malagasy mpitsabo sy mpandidy maso ka izay no antom-pisian’ny Institut de la Vision Madagascar.
20 taona nitsaboana sy nandidiana maso ny Institut de la vision Madagascar (IVM) miankina amin’ny fiangonana advantista. 2 000 isam-bolana ny marary raisina an-tanàna ary 100 no miatrika fandidiana miaraka amin’ny mpitsabo valo ka ny dimy amin’ireo efa matihanina, araka ny fanazavan’ny filohan’ny Adventis international eye services (AIES), ny dokotera James Davidians, izay mandalo eto Madagasikara, amin’izao fotoana izao. Tsy ampy ny mpitsabo maso eto Madagasikara ka hanofana mpitsabo mpandidy ny IVM. Napetraka, omaly, teny Soamanandrariny, ny vatofototry ny fotodrafitrasa lehibe iray hanitarana ny asam-pitsaboana sy fandidiana sady ho toeram-panofanana ireo mpitsabo malagasy, araka ny fanazavany ihany. Mitentina 3 tapitrisa dolara ny fanorenana ary 1 tapitrisa dolara ny fampitaovana hoenti-miasa hitsaboana. Haharitra dimy taona ny asa fananganana rehetra saingy efa manomboka ny fanofanana ankehitriny ka ny fahalalana fototra amin’ny fitsaboana maso no zaraina amin’ireo mpitsabo. Eo amin’ny fandidiana, ny fisorohana ny fahajambana amin’ny fandidiana ny katarakta no maro an’isa, 90% amin’ny fandidiana ataon’ ny mpitsabo mpandidy, Manaraka ny aretina glaucome, aretina amin’ny hozatry ny maso mitarika fahajambana koa, hoy ny lehiben’ny mpitsabo maso ao amin’ny IVM, Solofo Georges, omaly.
Mitsabo sy mandidy maimaimpoana ireo olona sahirana any amin’ny toerana lavitra (Ampanihy, Maroantsetra…) ny IVM. 20% ny marary tsaboina isan-taona no misitraka ireo tolotra ireo. Ankoatra ny fametrahana fotodrafitrasa hanitarana ny asam-pitsaboana, hametraka toeram-pitsaboana sy fandidiana any amin’ny faritra koa ny IVM miaraka amin’ny fitaovana avo lenta ho fanatonana ny mpiara-belona.
Vonjy